ActualitésTatitra

Mayotte : Mitohy ny hetsika Wuambushu

Efa nanomboka ny fandravana ny « bidonville » tao Talus II ny tompon’andraikitra tao Mayotte omaly alatsinainy. Manam-pahefana maro no nahetsika nandritra izany. Efa tapaka avokoa ny jiro sy ny rano ao amin’io tanàna io ary efa tsy hisy fihemorana intsony ny fandravana raha ny fanazavana. Trano « tôle » 135 no ho ravàna ao Talus II ary haharitra herinandro eo ny fanatanterahana izany.

Raha tsiahivina dia ny herinandro lasa teo no nofoanan’ny fitsarana ambony tao an-toerana ny didy nampiato ny fandravana ny tanàna Talus II ao amin’ny île aux Parfums. Mbola maro ny hevitra mifanipaka manoloana io hetsika Wuambushu io izay misahana ny fandravana ireo tanàna « bidonville sy ny fandroahana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ao an-toerana.

Laisser un commentaire