ActualitésTatitra

France : Pretra 51 taona nanolana zazalahy tsy ampy taona

Zazalahy 15 taona sy pretra 51 taona avy ao Bretagne no nifanakalo hafatra tamin’ny rindram-baiko fifankahafantarana Grindr natokana ho an’ireo « homosexuel ». Nihaona izy roa ireo ary niaraka nisotrosotro tao amin’ny toerana iray. Niditra efitrano tao amin’ny tao amin’ny boriborintany fahavalon’i Paris izy ireo taorian’izany.

Rehefa tao an’efitra dia nasain’ilay pretra nandray zava-mahadomelina ilay tovolahy ka nihinana « MDMA ». Nanomboka tsy nahatsiaro tena izy ka naolan’ilay pretra. Ny naman’io tovolahy io no nanavotra azy tamin’ny alalan’ny « géolocalisation ». Vosambotra kosa ilay pretra, ary niaiky fa nampihinana zava-mahadomelina sy nanolana ilay tovolahy. Nilaza kosa nefa izy fa tsy nahalala hoe tsy ampy taona io zazalahy io, ampy taona mantsy no nisoratra tao amin’ny kaontiny tao amin’ny Grindr.

Laisser un commentaire