Ambohitrarahaba : Tsara raha mandray andraikitra amin’ny fanadiovana ny rehetra
Tsentsina loatra ka nodiovina ny lakan-drano tao Ambohitrarahaba. Miantso ny mponina tsy hanary fako any anaty tatatra ny avy ao amin’ny kaominina : « tsentsina ny lakan-drano. Ny mponina ihany no hizaka ny vokany toy ny fofona maimbo sy ny rano miakatra rehefa avy ny orana ».
« Mandrora mitsilany ny olona ankehitriny. Tsy mahalala ny vokatry ny asany akory, hany ka faly mandoto fotsiny » hoy i Aina, manam-pahaizana mikasika ny fidiovana sy ny fahadiovana. « Ny kaominina efa sasatra manala ny fako nataontsika mponina. Rariny raha tokony hifanome tanana amin’izy ireo isika amin’ny fanadiovana. Rehefa tsy mandoto dia efa manadio » hoy i Pasy, mponina ao Ambohitrarahaba.
Ny kaominina tokoa no omena tsiny rehefa maloto ny tanàna. Ny mponina izay fototry ny fahalotoana, dia fatra-mpanome tsiny. Tokony handray andraikitra ny rehetra, ny vahoaka aza no tena tokony ho tompon’andraikitra voalohany.
Nicole Rafalimananjara
