ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lehilahy iray naka an-keriny ny zana-badiny, nanolana azy ary niteraka 9 taminy

Lehilahy iray antsoina hoe Henri Piette, 65 taona ankehitriny no naka an-keriny ny zana-badiny, nanolana azy ary niteraka 9 taminy. Tao Poteau, Oklahoma no niseho ny tranga tany amin’ny taona 1997 tany. 12 taona monja i Rosalynn McGinnis, ilay zazavavy nalain’i Henri Piette an-keriny tamin’izany. 45 taona kosa io lehilahy io tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga.

Nitsoaka niaraka an’i Rosalynn McGinnis tany Mexique i Henri Piette taorain’izany. Nanolana an’i o vehivavy io nandritra 19 taona izy ary niteraka 9 tamin’ny alalan’izany fanolanana izany. Ny taona 2016 kosa i Rosalynn McGinnis no tafatsoaka ary nahazo fanampiana  tamina mpivady iray.

Manoloana izany dia voasambotra i Henri Piette ary nandalo ny  fitsarana ny herinandro lasa teo. Voaheloka higadra mandrapahafaty io lehilahy io noho ny heloka rehetra vitany. Monina ao Missouri miaraka amin’ny zanany kosa i Rosalynn McGinnis izay efa 35 taona amin’izao.

Laisser un commentaire