Foto-drafitr’asa : Hanomboka ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy an’Antsohihy sy Ambanja
Dépêche 12 janvier, 11h50, Hanomboka ny fanamboarana ny ampahan-dalana mampitohy an’ny Antohihy sy Ambanja ao amin’ny RN6 izay hita eo anelanelan’ny PK 291+300 SY PK 291+700. Fiaraha-miasa teo amin’ny Governemanta sy ny Banque Mondiale io amin’ny alalan’ny tetik’asa PDDR. Haharitra 12 volana ny asa izay hatao. Hitondra tombony amin’ny vahaokaa mpampiasa iny lalana iny izany indrindra fa ny fivoahan’ny vokatra.
