ActualitésTsidika

Fizahantany : Nippon Maru no sambo tonga voalohany nitondra mpizahatany eto Madagasikara tamin’ity 2023 ity.

Mbola mahasarika mpizahatany maro i Madagasikara noho ireo vokatra maro isan-karazany sy ny zava-manan’aina maro eto an-toerana. Mitana ny laharana faha dimy amin’ny firenena tian’ny olona ho tsidihina indrindra i Madagasikara ka noho izany dia efa nisy sahady ny sambo mpitondra mpizahatany avy any Chine tonga eto an-toerana.

« Nippon Maru no anaran’ity sambo ity ary avy any Chine ireo mpizahatany ireo izay miisa 408. Vao volaohany izao fandalovany eto Madagasikara izao izay hahafahan’ireo mpizahatany ireo mianoka ny hatsaran’izany toerahna izanyb ka hahafahany manavao indray ny tolotra amin’ny fotoana manaraka », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany.

« Anjaran’ireo mpisehatra vokasika no manolotra zavatra tsara sy mahatamana mba hisian’izao zavatra izao matetika. Tsy tokony hiandry ny Ministera fa samy tompon’andraikitra amin’ny fampiroboroboana ny sehatr’asany avokoa ny tsirairay hahafahana manatsara hatrany tolotra. Na dia telo andro fotsiny aza izy ireo no handalo eto Madagasikara dia tokony hanana souvenir tsara mba hiverenany indray amin’ny fotoana manaraka », hoy i Phillippe, mpampianatra amin’ny Sekoly mahakasika ny fizahantany iray.

Maro ny mpizahatany mahita ny hatsaran’ny Madagasikara ka mitarika ireo mpiray firenena aminy mba handalo sy hizaha izany. Izany anefa dia avy amin’ny fandraisana sybny fonolorana tolotra mahafapo hatrany ihany ka ny mpisehatra rehetyra no tompon’andraikitra amin’izany. Anisan’ny mampiakatra ny ekonomian’ny firenena iray ny fizahantany indrindra firenena toa an’ny Madagasikara izay Nosy ka izany no tsy hanaovana tsinontsinona ny fizahantany eto an-toerana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire