Ankadikely Ilafy : Nahazo tohana ireo mpianatry ny EPP
Nisy ny fizarana tohana ara-tsakafo sy fitafiana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra tao anatin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Ny EPP Ilafy, Antsampandrano, Manazary, Ambohibe ary Ankadikely no nanaovana ny hetsika voalohany ary mbola hitohy amin’ireo EPP hafa izany fizarana izany.
« Isaorana ny Rotary Club Ivandry tamin’ny namalian’izy ireo ny antso izay nataon’ny kaominina ka nanampy tamin’ny fizarana izao fanampiana izao » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Hery lehibe ho anay mpampianatra sy mpianatra mihitsy ny fanampiana anay izao satria na kely aza izahay dia tsy nohadinoinareo mihitsy ka misaotra indrindra ary enga anie ka handroso hatrany ny tanàna » hoy ny solontenan’ireo mpampianatra ao amin’ny Kaominina. « Isan’ny olana lehibe eny amin’ny fianaram-panjakana fototra na ny EPP eto amintsika tokoa ny tsy fahampian-tsakafo izay mampitombo be ny isan’ireo mpianatra mitsoaka an-daharana izany » hoy i Feno, mpiaro ny zon’ny zaza.
Irariana mba hisitraka izao fanampiana izao avokoa ny EPP rehetra eto Madagasikara mba ahafahan’ireo ankizy manana hery hiatrehana ny fianarana. Tsy tokony hiandry ny kaominina foana fa afaka manome izay manana ka afaka atomboka amin’ny kilasy iray aloha.
Nicole Rafalimananjara
