ActualitésTsidika

Fandriam-pahalemana : Nasiana jiro isakin’ny andrinjiro tao Ankadikely Ilafy

Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy sy ny orinasa Jirama tamin’ny fametrahana jiro hanazava ny arabe tamin’ireo andrinjiro miisa 20 any an-toerana. Ny lalana mampitohy an’Ankadikely amin’ny Ambohimpanja no nanaovana izany tamin’izao andiany voalohany izao.

« Izao no natao dia mba hisian’ny fandriam-pahalemana sy ho fitsinjovana ireo mponina eto amin’ny tanàna ka tsy hisy intsony ny fanararaotana amin’ny maizina » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’ny kaominina. « Tena mampatahotra mihitsy aty Ambohimpanja rehefa hariva, sady mangingina ny lalana ka manararotra ny ratsy, tena mamaha ny olana tokoa aloha ny fanazavana ny tanàna tahaka izao » hoy i Ginah, mponina ao Ambohipanja Ankadikely Ilafy. « Na mazava aza ny alina dia tokony hahay hitandrina hatrany ny mponina, fa ny ratsy tsy kely lalana » hoy ny avy eo amin’ny zandarimaria.

Tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny vahoaka ny kaominina, fa mbola tompon’andraikitra lavitra mihoatra iznay ny tsirairay amin’ny tenany ka tokony hitandrina mandrakariva manoloana ny tsy fandriam-pahalemana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire