ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mahafa-po ny mpandeha ny fisian’ny zotra vaovao H

Tao anatin’ny roa volana mahery teo izao no nanomboka niasa ary nanmpitohy ireo kaominina roa, dia ny kaominina Ambohimangakely sy ny kaominina Ankadikely Ilafy ny zotra H vaovao. Hatreto aloha, nahafa-po ary nanala fahasahiranana ny mponina sy ny mpandeha ny fomba fiasan’ny zotra, raha ny voalaza.

« Ho anay mpivezivezy, mpiasa mandeha isanandro aloha dia tena nanala ny fahasahiranana tokoa ny fisian’ity zotra ity. Hirariana ny tsy hiovan’ny fomba fiasan’ny zotra fa anisan’ny hampiroborobo azy izany ary tokony alain’ireo zotra hafa tahaka » hoy i Sahondra, mponina ao Betsizaraina.

« Anisan’ny olana mbola mipetraka ny tsy fanajana ny zon’ny mpandeha ao amin’ny zotra sasany miasa eto Ambohimangakely. Ity zotra ity aloha hatreto no mendrika halain’ireo hafa tahaka. Tsara ihany koa raha asiana fanaraha-maso ihany ary tohizana izany ezaka izany » hoy i Liva, mponina ao Ankadikely.

Tanjon’ny kaominina tamin’ny fametrahana ity zotra ity tokoa ny hanala fahasahiranana ny mponina amin’ny resaka fitaterana, izay efa nampitaraina sy nampijaly ireo mponina an-taonany maro. Marihina hatrany fa ity zotra H vaovao ity dia mampitohy an’Ambohimangakely sy Ankadikely Ilafy, mandala an’ny Betsizaraina, Ambatomandeha, Ambohibe, Manazary ary ireo faritra hafa

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire