ActualitésTsidika

Anjeva: Misokatra ny fisoratana anarana amin’ny tournoi fokontany

Ho avy tsy ho ela ny fifaninana baolina kitra, tournoi fokontany 2024, ao amin’ny kaominina Anejva gara. Efa misokatra araka izany ny fisoratana anarana ho an’ireo liana, te handray anjara amin’izany.

“Misokatra ho an’ny rehetra, football club, ato anatin’ny kaominina Anjeva gara ny fisoratana anarana amin’ny Tournoi fokontany 2024. Lalao ho an’ny sokajy senior lehilahy, jeux à 11 moa izany ary ho tanterahina eny amin’ny kianja Faliarivo” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra mpikarakara.

“Ao anatin’ny fikarakarana izany fifaninana izany moa dia hisy ny fivoriana ho tanterahana ny 20 janoary 2024, ao amin’ny biraom-pokontany Faliary, hanomboka amin’ny 02ora tolakandro, hiantsoana ireo maniry hanampy ny mpikarakara na manana hevitra hanatsarana ny fifaninana ho tonga hanatrika izany” hoy hatrany ny fanazavana.

Epo ambany fiahian’ny ben’ny tanàna ao Anjeva gara moa ity fifaninanana ity. Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninina, indrindra ho an’ireo avy amin’ny fokontany folo mandrafitra ny kaominina.

Laisser un commentaire