SocialTatitra

Espagne : Rakotra potika plastika ny sisi-dranomasin’i Espagne avaratra

Kaontenera iray very tany an-dranomasina no niteraka fahalotoan’ny ranomasina ao amin’ny faritra avaratr’i Espagne. Rakotra potika plastika ny sisi-dranomasina ao an-toerana vokatr’izany. Ny 08 desambra 2023 no nisy kaontenera iray avy amin’ny sambo mpitondra entana tsy hita, ka nahatonga izany fahalotoan’ny ranomasina izany. Anisan’ny tena rakotra izany potika plastika, izay efa an’arivony isa izany ny torapasik’i Galice, Asturies ary Cantabirie. Hatramin’ny talata 09 janoary teo, mbola miezaka manala ireo plastika amin’ny tora-pasika ireo mpilatsaka an-tsitrapo any an-toerana.

Laisser un commentaire