67 ha : Vehivavy voaendaka teny ambony moto.
Lasibatra amin’ny fanendahana avokoa izao na ny mpandeha tongotra, na ny mpandeha fiara, eny fa na ny mpandeha môtô aza. Lasa faritra mena tokoa ny tananan’ny 67 ha ankehitriny ary tena mampitahotra ireo mpandalo. Ireo efa mponina manodidina moa dia toa zary lasa fiainana mahazatra ny fisian’izany.
Toy ity nitranga teny amin’ny faritra 67 ha akaikin’ny hotely lehibe iray iny. Ramatoa nitondra môtô no lasibatry ny mpanendaka, izay mbola bandy kely tsy ampy taona. Lasa tamin’io, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, ny firavaka sarobidy teny an-tanan’ity ramatoa ity. Ary tsy vitan’izay fa mbola naratra mafy ihany koa ny tenany noho ny fianjerany avy eny ambony môtô.
Faritra isan’ny tena mampikolay ireo mpiantsena sy ireo mpandalo tokoa raha ity faritra ity izay tsy mahamenatra ireo mpanao ratsy ny mandrangarangana ny fitaovam-piadiana ary sahy manao ny asa ratsiny na dia atoandro aza. Raha ny nahazo ity ramatoa ity mantsy dia tamin’ny andro amin’ny efatra ora hariva, ny alakamisy teo no niseho ny loza. Ramatoa handeha hiasa ny tenany.
Efa misy ihany koa ireo polisy manao fisafoana eny an-toerana kanefa tsy mahasakana ireo mpanao ratsy hanao ny asa ratsiny izany. Tsy kely lalana tokoa ny ratsy.
Fenohasina Ratsimamitaka
