Ambohimanambola: fampisitrahana rano fisotro madio ny mponina
Mbola ao anatin’ny andrana ara-teknika an’ilay fantsona mijoro hamatsiana rano ny mponina ny Kaominina Ambohimanambola amin’izao. Mety hisy ny faneligelenana aterak’izany. « Ny talata teo no nanomboka ny fandefasana rano ny tanàna. Amin’ny 3ora tolakandro hatramin’ny 5 ora hariva ny ora fisokafan’ny fantsona mijoro na borne fontaine » hoy ny avy ao amin’ny Servisy ny rano fanadiovana fidiovana ao amin’ny Kaominina Ambohimanambola. « Ialàna tsiny indrindra amin’ny mety ho faneligelenana aterak’izany andrana ara-teknika izany. Ny fandrosoan’ny tanàna no iaraha-mijery » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina. Miezaka hatrany tokoa ny Kaominina mba hisitraka rano fisotro madio tokoa ny mponina ao aminy. Ny kaominina sy ny orinasa EERT no miara-miasa amin’ity tetikasa ity.
