Mayotte : Mbola mitohy ny hetsika Wuambushu
Mbola mitohy ny hetsika Wuambushu ao amin’ny nosy Mayotte. Efa mahery ny 400 isa ny « banga » na trano fanitso naorina tsy ara-dalàna tao an-toerana noravaina. Raha ny fanazavan’ny minisitry ny atitany sy ny Outre-mer, Gérald Darmanin dia mbola hiakatra hatramin’ny 1 000 isa fandravana izany hatramin’ny faran’ity taona ity.
Nanomboka ny alatsinainy teo dia trano amoron-dranomasina tsy ara-dalàna no noravaina tao Petite-Terre raha ny tatitr’i Psylvia Dewas, tompon’andraikitry ny prefen’ny vondronosy amin’ny fampihenana ny trano tsy ara-dalàna sy tsy madio (insalubre). Nizotra tao anatin’ny fanajana ny lalàna tanteraka izany ary efa nahazo trano fonenana avokoa ny fianakaviana nalàna rehetra raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitra.
Mbola hitohy ao Hamouro, ao amin’ny kaominina Bandrélé kosa ny hetsika fandravana ireo trano tsy ara-dalàna. Hotontosaina afaka roa herinandro alohan’ny hanombohan’ny taom-pianarana raha ny tatitra.
