Nisy namaky ny tobin’ny CAPSAT Soanierana
Ny « corps des personnels et des services administratifs et techniques » eny Soanierana, izay fantatry ny be sy ny maro amin’ny hoe CAPSAT, no mikarakara ny fampiakanjoana ny ireo tafika Malagasy.
Ny faran’ny herinandro lasa teo moa no nahazoana vaovao avy amin’ny tompon’andraikitry ny toby fa « nisy niharan’ny fandrobana ny toby izay ihadidiany ». Very tao anatin’izany ny « fusil d’assaut AK-47 » sy ny « munition » »rehefa natao ny fanamarinana rehetra,
Nanetsika ny miaramila rehetra teo an-toby moa ity farany mba hanao aa lambo faingana izay mety nahavanin-doza. Mbola tsy nahazoana loharanom-baovao avy amin’ireo tompon’andraikitra ny mety ho ati-doha nikotritra sy ny anton’ity fandrobana fitaovam-piadiana ity. Efa nandray ny fepetra mifanaraka amin’izany ireo tompon’andraikitra ankehitriny ary nendefa fanambarana mikasika ity fahavakisan’ny Toby « Intendant general Jean Jacques Rasolomalala »ity.
Mampametram-panotaniana ny maro, tahaka an’i Rondro ny hoe « mety misy hifandraisany amin’ny raharaha Apollo 21 ve ity fahavakisan’ny toby ary nisy fangalarana basy ity ? Ny toe-draharaha raha teo efa manomboka mafana. »
Fanja Rakotoarisoa
