SocialTsidika

Halatra solika : 9 no tratra ary iray no mbola karohina any Mananara Avaratra

Olona miisa 09 hatreto no voasambotra noho ny raharaha halatra solika sy sompatra natao tamin’ny foto-drafitr’asan’ny Jirama tao Mananara Avaratra ny alin’ny sabotsy 07 aogositra lasa teo, olona iray hafa kosa mbola karohina.

Hatramin’ny nametrahana ireo sampan-draharaha misahana ny halatra sy ny hosoka dia efa maromaro ireo sarona toa ity tranga iray ity. « Miara-miasa akaiky amin’ny mpitandro filaminana sy ny lehiben’ny Distrika ary ny OMC any an-toerana izahay mba hahafahana miaro ny tobim-pamokarana » hoy ny avy eo anivon’ny Jirama. « Tsy handefitra velively amin’izany fihetsika mamoehatra sy mambotry ny orinasa izany ny Jirama, indrindra noho ny fahafantarana fa ny mpanjifa na ny vahoaka no tena mijaly vokatr’izany », hoy ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Jirama, Vonjy Andriamanga manoloana ny halatra sy fanimbana ny fitaovan’ny orinasa. « Tsy rariny koa ny tahaka izao ka tsy maintsy manao ny asanay izahay amin’ny fitadiavana ny olon-dratsy araka izay azo atao », hoy ny mpitandro filaminanana any an-toerana. Samy mila ny herinaratra avy amin’ny Jirama daholo isika rehetra, koa nahoana no sahy mandrava izany ny sasany ? Fitiavan-tena tsotr’izao izay toe-tsaina tsy mampandroso ny firenena ka mila esorina eto mihitsy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire