Ny fivarotana sary sikotra.
Mpivarotra sary sikotra eny amin’ny fivarotana art malagasy Ambohitrimanjaka nanomboka ny taona 2009 i Andomalala. Vao vita ny bakaloreany dia nanampy ireo ray aman-dreniny nivarotra sary sikotra izy ka izao lasa asa mandrak’ankehitriny izao.
Araka ny nambarany, ny rainy no misikotra ny sary any ivato dia izy no mivarotra eny amin’ny sampanan’Ambohitrimanjaka.
Maro ny akora hita rehefa hanao izay sary sikotra izay dia ny hazo: rehefa hazo dia mety avokoa na io palisandra, andramena, hazo ala sy ny maro hafa, fitaovana hita amin’ny fanaovana saey sikotrra ihany koa ny papier vert ny cirage, ny fandraka ary ny borosy.
Refa te hahazo vokatra iray dia mila manirotra sary ny hazo ary manomboka ny fisokirana, ary nomarihiny fa efa sady lova ihany koa ny fanaovana asa fisokirana ka tsy mila asa be intsony.
Maro ny karazan’olona manjifa ny sikotra vamidiny fa ireo mpizahan-tany no tena maro mpanjofa izany na koa ireo olona hividy fanomezana. Ary manodidina ny 5000ariary ka hatramin’ny 1.000.000ariary ny vidin’ny sary sikotra.Taloha anefa dia nandeha tokoa ny tsena ary nahavelona saingy nohon’ny valan’aretina covid-19 dia tena maty tanteraka ny asa fivarotana asa-tanana hoy ny voalazany. Ka tsy azo atao intsony miantehitra be amin’azy io aloha hatreto.
Renim-pianakaviana mampiana-janaka i Andomalala ka na tsy nataony hahakivy azy izany sedra lalovana izany ary nanafatra izy hoe: » Ho atsika mpanao asa-tanana, mila manana faharetana isika, ary ny olona rehetra kosa dia hoe fmhafa ihany ny manjifa ny vita gasy hoy ilay fitenenana ka tombony ho an’ny rehetra. »
Narcia Hantanirina




