Mila mahatoky tena raha maniry ny hivoatra
Maro ireo mihevitra fa misy karazan’olona efa natokana ny ho tafita. Maro ireo mihevitra fa mila mandova be vao tafavoaka amin’ny fiainana izany. Maro ireo mihevitra fa ny bizina maloto ihany no mahatafita ireo efa lasa lavitra amin’ny fiainana ireo. Maro ireo mihevitra fa tsy misy azo atao fa efa voalahatra daholo izay mitranga amin’ny fiainany raha araka ny finoana hananany. Mbola tsy tambo isaina ireo fomba fihevitra mifanakaiky amin’ireo efa voalaza ireo. Mazana efa raiki-tapisaka ao an-tsain’ny ankamaroan’ny Malagasy izany, indrindra ireo izay matetika lavon’ny fiainana.
Toe-tsaina mila hialana anefa izany. Manomboka amin’ny fotoana hahatokisan-tena sy amin’ny fotoana hahalanan’ny olona iray ny tena lanjany no hanombohan’ny fivoarana eo amin’ny fiainany. Lasa manana fijery miabo ny tenany izy ka hanaraka izay ihany koa ny fomba fiainany sy ny fihetsiny rehetra. Lasa raisiny ho tombony ho azy ny olana miseho amin’ny fiainany, ka lasa mivadika ho vahaolana. Lasa mivoaka ho azy ireo talenta miafina ao aminy rehefa manana fahasahiana kokoa izy. Mivoatra ny fiainany noho izany ka manatona tsikelikely any amin’ny lalana makany amin’ny fahatafitana andrasany ny diany.
Toe-tsaina miiba izany no tokony hialana. Rehefa mitazona io fomba fijery io dia na ny manodidina ary lasa miova manaraka izay ihany koa. Ka sady tombony ho an’ny tena sady tombony ho an’ny hafa ny fihazonana izany. Tsy mora fa mila fanazaran-tena isan’andro izany. Afaka atomboka amin’ny fihetsika kely madinidinika toy ny famerenana ao an-tsaina isa-minitra ny hoe : mendrika aho, mahavita zavatra tsara aho, nateraka ny ho mpandresy aho.
Diamondra Randriantsiferana
