Miato amin’ny asany ny mpiasan’ny fahasalamana.
Manomboka androany, alatsinainy 08 febroary ny fitokonana hataon’ny mpiasan’ny fahasalamana. Taorian’ny fitakiana maro nataon’ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy ny mpampiteraka eto Madagasikara na ny SISFM, miroso amin’izao fitokonana faobe izao izy ireo. Mihenjan-droa ny tady eo anivon’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.
Ny tsy famalian’ny minisitera ny hetahetan’ny mpiasa no mahatonga izao fijanonana miasa izao. Misy fiatraikany amin’ny marary eny amin’ny CSB sy ny hopitalim-panjakana anefa izany. Izy ireto izay anisany nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritran’ny fotoana nampamaivay ny valan’aretina covid-19 teto Madagasikara ny taona 2020. Tafiditra ao anaty fitakian’izy ireo ny fampidirana ireo namany milatsaka an-tsitrapo ho mpiasam-panjakana. Efa betsaka ny dingana natao hatramin’ny taona lasa teo, tao ny hetsika fanairana izay nandraisan’ny tany amin’ny faritra anjara. Vahaolana ny fijerena manokana ireto mpiandraikitra ara-pahasalamana ireto mba hampirindra ny lafiny fitsaboana eto Madagasikara.
Fanilo Rarivoarilala


