Social

Ny asa fivarotan-kena.

Maro ireo olona lasa miasa tena ankehitriny noho ny tsy fahazoana asa amina orinasa. Toy izany i Jean, isan’ireo lasa mpivaro-kena nandritra ny fihibohana. Eny analakely no tena ahitana azy ary efa nandritra ny fihibohana no nahitana azy nivarotra tany. Tsy manana tsena mitokana izy fa misitrika anaty tsenan’olona hafa ary miara-miasa amin’izy ireo. Mivarotra hen’omby, hena-kisoa, sy hena akoho ny tenany.

Asa tsy niriany tokoa ny ho lasa mpivaro-kena fa noho ny zava-misy dia tsy maintsy niezaka nitady fika izy hivelomana sy hamelomana ireo vady aman-janany. Asa tsy nolovainy izy io fa sendra naita olona be dia be nivarotra izy dia nanontany raha tena raha maninona tokoa raha manao toy ireny olona mivaro-kena ireny. Misy karazany maro ny fitaovana ampiasaina rehefa mivarotra izy toy ny mpivaro-kena rehetra. Hitambarany amin’ny mpivaro-kena miara-mivarotra aminy avokoa izany satria tsy mbola ampy ny enti-manana hitokanana tsena hafa. Hitany anefa fa nahazoany tombony ihany ny asany ka tsy mieritreritra ny hitady asa hafa intsony ny tenany fa hanangona ary hanangana ny tsenany manokana.

Fenohasina Ratsimamitaka

Laisser un commentaire