Congo : Fifidianana filohan’ny antenimeram-pirenena.
Azon’ny mpomban’ny fitondrana hatrany ny toerana eo amin’ny antenimeram-pirenena any an-toerana. Christophe Mboso N’kodia, mpitantana ny “chambre basse” any an-toerana no voafidy ho filohan’ny antenimeram-pirenena .Ny desembra 2020 lasa teo no nanatanterahana ny fifidianana .Voafidy ny alarobia lasa teo izy . Telo herinandro taorinan’ny nampiatoana an’ny ramatoa Jeanine Mabunda , filoha teo alohany ,izay momba ny fitondrana “Kabila “ . Isam-bato 389 tamin’ireo mpifidy miisa 466 no azony .Niara-niasa tamin’ny filoham-pirenena ankehitriny izy “Felix Tshisekedi” rehefa niala tsy ho isan’ny antokon’ny fitondrana teo aloha “Joseph Kabila”.
