PolitiqueTsidika

Politika : Tokony hahay hiara-miasa i Clémence Raharinirina sy i Naina Andriatsitohaina

Nasehon’ny Ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina ireo taratasy lazainy ho tsy ara-dalàna sy fanodikodinam-bola nataon’ny Ben’ny Tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana sy ny vadiny izay mpanolo-tsaina manokana. Mitentina amin’arivo tapitrisany ireo vola ireo ary naseho am-pahibemaso. Miisa 300 pejy ireo taratasy naneho ny fampiasana tsy ara-drariny ny volan’ny Kaominina. « Maro be ireo porofo sy antontan-taratasy izay tsy maintsy ampiakarina any amin’ny Bianco sy ireo ambaratonga mahefa. Ny tranga toy izany no tena tsy mampandroso. Misy ireo mikendry tombontsoa manokana hatrany » hoy ny tompon’andraikitra.

« Mifanome tsiny an-toerana eo ireo mpitondra. Variana mifanala baraka kanefa ny vidim-piainana miakatra, ny vahoaka mijaly ihany » hoy i Lala, mpivarotra eny Analakely. Tsaihivina fa nangataka ny fialàn’ny ben’ny tanàna ankehitriny i Clémence Raharinirina. Tsotra anefa no namalian’ny ben’ny tanàna izany: « Taiza ianareo hatramin’izay ? Toa nangina fotsiny ? Tsy hiala aho ary hitohy hatrany ny asa ». Tetsy an-kilany, nitondra ny tenin’ireo mpanolontsaina monisipaly i Lalatiana Ravolomanana namaly an’i Clémence Raharinirina : « Ianao efa fantatra fa nanao casting te ho ben’ny tanàna fa tsy lany. Lasa manakorontana. 2023 efa akaiky ka miandrasa fifidianana dia milatsaha ho tsarain’ny vahoaka. Ny mpanolo-tsaina maro an’isa dia tsy hanaiky ny fanakorontanana ataonao ary tsy miala ny Ben’ny tanàna ».

Zary lasa kianja hilalaovan’izy ireo sisa ny fierenena. Mitohy eny foana anefa ny andavan’andron’ny mponina na eo aza izany. Hita ho samy manao izay hihinanany sisa ny rehetra ary leo resaka politika. Iza no tena hahavita hampandroso ny ferenena ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire