ActualitésTatitra

Ukraine : Faritra manan-danja ara-toekarena sy ara-kolotoraly i Donbass

Faritra iray ao atsinanan’i Ukraine sy eo amin’ny sisin-tanin’i Russie i Donbass. Eo anelanelan’ny ranomasina Azov sy ny reniran’i Don no misy azy. Ankoatra ny maha « bassin d’houille » azy dia misy misahana betsaka amin’ny fampandrosoana ny toe-karena sy ny kolotoralin’i Ukraine izy. Misy faritra roa ao aminy, « oblast de Donetsk » sy ny « oblast de Louhansk ».Toerana efa nisehoana adin’i Russie sy Ukraine (guerre hybride) ihany koa nefa i Donbass. Ady eo amin’ny governemantan’i Ukraine sy ny « séparatistes pro-russes » nanomboka ny taona 2014 raha ny marimarina kokoa. Raha tsiahivina dia fihetsiketsehana nataon’ny Euromaïdan nanameloka ny kolikoly tao an-toerana ny volana febroary 2014 no niandohan’io ady io. Nahafaty olona naherin’ny 13 000 izany hatramin’ny taona 2020 raha ny voalazan’ny ONU.

Laisser un commentaire