Antsohihy : Nomena marim-pankasitrahana ireo tanora nahavita fiofanana momba ny fandrafetana tetik’asa sy hai-tarika
01 Aprily, 11h00. Tanora 40 mahery no nahavita fiofanana sy afaka nandrafitra tetik’asam-pampandrosoana ara-tsosialy sy nahazo fiofanana momba ny hai-tarika ny 19 sy 20 Mars teo. Notolorana marim-pankasitrahana tao amin’ny « Maison des Jeunes » Antafiantsivakingny izy ireo alarobia teo manoloana izany.
