Dépêches

Barea : Hiatrika fampivondronana ireo mpilalao avy eto an-toerana

Dépêche 03 octobre, 12h, Nanambara ny avy ao amin’ny Uficasm fa hanatanteraka fampivondronana avy hatrany ireo Barea U23 manomboka amin’ity herinandro ity. Ireo mpilalao avy eto an-toerana moa ireo hampiomanina dieny mialoha ireo. Raha tsiahivina dia ny 23 sy 30 oktobra izao no hanatanteraka ny fihodinana faharoa amin’ny fiadian-toerana hanao ny CHAN 2023 izy ireo, izay hifanandrinanay amin’ny mpilalao avy any Gabon. Vinavianina ho tonga eto an-toerana ny 22 oktobra kosa ireo mpilalao avy any ivelany.

Laisser un commentaire