ConseilTsidika

Torohevitra : Fampiasana ny karibonetra ho an’ny fanadiovana

Iza tokoa moa no mbola tsy mahafantatra ny tombotsoa azo avy amin’ny fampiasana ny karibonetra izany na hanadiovana na hikarakarana vatana na hanaovana fanafody fitsaboana ? Tsy saro-tadiavina fa saika hita eny amin’ny tsenam-barotra rehetra eny ny karibonetra ary amin’ny vidiny mirary.

Raha hanadiovana sakafo, ny karibonetra dia anisan’ny vokatra miady amin’ny loto sy ny bakteria. Ho an’ireo sarotiny amin’ny fahadiovan’ny legioma sy voankazo, anisan’ny azo antoka ny fampiasana karibonetra. Asina karibonetra iray sotro kely ny rano hanasana ireo legioma na voankazo ireo.

Toa izay ihany koa raha hanadio ny fitaovana ao an-tokantrano. Raha hanadio vata fampagatsiahana, asina karibonetra iray sotro kely ny rano 5 litatra hanadiovana azy. Sasana amin’ny spaonjy madio. Hiverina madio fotsy tsara ny vata fampangatsiahana aorian’izay, sady manala ireo maintimainty eny anelanelany eny no manala fofona ratsy ihany koa.

Farany, raha hanadio ireo fitaovana arafesenina na vita amin’ny « inox » ao an-trano. Mila voasary makirana iray sy karibonetra kely. Silahana roa ny voasary makirana, araraka eo amboniny ny karibonetra; rahefa izay dia kosehana avy hatrany ny fitaovana tiana ho diovina.

Maro dia maro ny azo hampiasana ny karibonetra amin’ny fanadiovana, tsy sarotra ampiasaina anefa fa tena amin’ny fomba tsotra avokoa. Miankina amin’ny fahazotoana mikarakara anefa izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire