Tsidika

Nisy ny hetsika fanohanana ireo tantsaha any Antanetibe Mahazaza

Notontosaina ny 31 aogositra 2021 teny amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza, Distrika Ambohidratrimo ny fanentanana sy fampahafantarana ny tetik’asa PACPA izay Tetik’asa manohana ara-barotra eo amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana.

Ekipa marobe avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana miampy ny ekipan’ny Tetikasa/Fandaharanasa (PROSPERER, FORMAPROD), ny ekipan’ny FDA, ny Rafitra Mpandova SEAMAMA ary ny ekipa PACPA s no tonga teny an-toerana nanatanteraka izany. « Ny fambolena no tena fiveloman’ny olona aty ka tsara tokoa raha io sehatra io ihany no velarina hihitatra hatsaraina hatrany mba hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny Kaominina » hoy i Fred, mponina any an-toerana. « Mpamokatra sy Vondron’ny Mpamokatra avy amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza sy ny manodidina nampian’ny tanora misitraka ny tohana FORMAPROD kosa no tonga nanatrika ity atrik’asa nokarakarainay ity » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. « Efa betsaka ny tosika azonay mikasika ny fambolena ary hirariana ny mba hisian’ny fivoarana amin’izany sehatra izany, antenaina ihany koa ny hitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina ho fampivelarana ny mponina » hoy ny solotenam-panjakana any an-toerana. Isan’ny olana mianjady amin’ny tantsaha ny fahasarotana eo amin’ny famarotana ny vokatra miakatra eo ihany koa ny fiompiana.

Ny fampalalahana izany anefa no tena mitondra fampandrosoana lehibe ny tantsaha indrindra rehefa lafo araka ny tokony ho izy ny vokatra izay vokarin’izy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire