ActualitésTsidika

Nitokona teny Ambohidahy ny mpiasan’ny CTC

Ain’olona maro no efa novonjena tao amin’ny CTC indrindra ireo voan’ny Covid-19 ary sitrana tsara avy eo rehefa nahazo fitsaboana. « Narary tao aho ary tena hitako fa ezaka lehibe no ataon’ireo mpiasa, sady tena mahafoy tena tokoa hikasika ireto marary » hoy i Lalaina.

Midera ny herim-pon’izy ireo mihitsy amin’izany fahafoizan-tena lehibe izany. Androany maraina anefa annao hetsika ireo mpiasan’ireo ivon-toeram-pitsaboana coronavirus noho ny karama sy ny tambin-karama tsy mbola noraisiny nandritra ny 3 volana. Nanoloana ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka teny Ambohidahy no nanaovana ny fanagtahana. « Karama 3 volana be izao no mbola tsy noraisinay, 3 volana kanefa izahay mba tokony hisakafo tahaka ny olon-dehetra ary manana ny vady aman-janakay » hoy ny mpiasa iray. Fa inona loatra no antony ?

Tena ilaina anefa izy ireo amin’ny fanavotana aina manoloana izao aretina izao kanefa ny karamany indray no natao ambanin-javatra. Nanome 48 ora ny fitondram-panajkana izy ireo amin’ny fanefana izany. Ahiana ny mety ho fiatohan’ireto mpiasan’ny CTC ireto amin’ny asany hoy ny mpanara-baovao. Miandry fitakiana foana ve izany vao hisy fahatongavan-tsaina, izany tokoa mantsy ny zava-misy eto amintsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire