SocialTsidika

Tsy niraharaha ilay naratra ny mpamily ilay fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tamin’iny lalam-pirenena faha-7 iny raha niala kelin’Ambatolampy hitodi-doha aty Antananarivo. Nitaraina vokatry ny tsy fitandremana sy ny tsy firarahiana nataon’ny mpamily noho izany ny fianakavian’ilay ramatoa saika namoy ny ainy nandritra ny loza.

« Noteren’ilay mpamily handeha mafy fotsiny ny fiara satria maika hanatratra ny location hafa izy kanefa efa nihoatra ny hafainganam-pandeha arak any tokony ho izy ilay izy ka niteraka lozam-pifamoivoizana » hoy ny mpandeha iray tao amin’ny fiara. « Niharan-doza ny reninay ka tsy nijery azy akory na dia efa teo am-bavahoana ny fahafatesana aza izy ireo fa nanao teny mandrahona aza no nataony » hoy ny zanak’ilay vehivavy naratra mafy. Niteny mantsy ilay mpamily ny fiara hoe « ataovy izay ho ataonareo fa izahay tsy matahotra ary tsy miraharaha na ho entinareo aiza io na hampakarinareo aiza ».

« Tsy fanajana tanteraka ny zon’olombelona izany, manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny raharaha satria ain’olona no lasibatra amin’izao » hoy i Findra, mpahay lalàna. Fialàna andraikitra kanefa noho ny naatony ihany no nahatonga ilay olona saika ho faty.

Inona no tokony atao manoloana ny tsy rariny tahaka izao ?

Laisser un commentaire