ActualitésTsidika

Inona no ao ambadik’ireny faharesena mifanesy ireny ?

Saika kivy avokoa ny Malagasy rehetra taorian’ny lalao nifanandrinan’ny Barea tamin’ny ekipam-pirenena Tanzania. Sarotra ny hieritreretana an’i Madagasikara hifanandrina amin’ny ekipam-pirenena ankoatran’i Afrika toy ny any Paris amin’ny lalao iadiana main’ny tompon-daka iraisam-pirenena any Qatar.

« Nalahelo ihany ny tena manaloana ny faharesenan’ny Barea na dia efa nanampoizina ihany. Ny fanomanana dia tsy ny vatana ihany fa ny saina ihany koa, niaina zavatra mafy ny FMF sy ny mpilalao nanomboka natongavan’ny filoha teny Ivato rehefa avy any lafrantsa » hoy i Razafimanantany Faniry tao amin’ny fandaharana miara-manonja.

Avy amin’iza tokoa ny hadisoana ka nahatonga antsika ho resy lava tato ho ato? « Tsy azoko hoe inona mahatonga an’ity Mpanazatra Barea ity malaina mampiditra an’i zandry Carolus, raha tsy efa ho tapitra foana ve ny lalao vao ampidirina izy. Sa hamotika ny Barea no tanjony ? Tokony haverina ihany i Nicolas Dupuis » hoy i Eddy, tanora mpankafy baolina kitra.

Andrasana ny fanapahan-kevitry ny FMF, na hitazona an’i Eric Rabesandratana na hamerina ny mpanazatra teo aloha na hiantso olon-kafa mihitsy. « Vao niala teny Ivato ny ekipa dia efa mirehareha sy mandatsa ny FMF ny mpitondra izy ireo no niantoka ny ny Barea.Tsy afaka nafenina ve ilay fireharehana fa mba vita ny lalao izao fa mifanejana, misy fihatraikany eny amin’ny mpilalao ireny » hoy i Sitraka, mpanazatra ekipa mpilalao baolina eto Madagasikara.

« Hita taratra ny ezaka nataon’izy ireo izay niady mafy, niaro ny voninahi-pirenena. Azo lazaina ho tsy nitsanga-menatra isika Malagasy noho ireny vokatra ireny na dia resy tamin’ny isa 3 no 2 aza » hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Mety mbola hisy fanantenana ve ny handresena an’i République Démocratique du Congo amin’ny lalao manaraka ?

Laisser un commentaire