Dépêches

Fintina fohy ny tatitry ny Ministra ny 8 septambra teo

09 Septambra, 08h45. Notontosaina ny 8 septambra lasa teo teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny filan-kevitry ny Minisitra izay natrehan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny praiminisitra Ntsay Christian ary ireo minisitra isan-tokony avy. Notendrena ho tale jeneraly misahana ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena nandritra izany i Rabenandrasana Théophil. Nankatoavin’ny Ministra tamin’izany ihany koa ny hanafaran’ny fanjakana Malagasy ny vaksiny “Jhonson&Jhonson” miisa 8.000.000 fatra. Marihina fa noho ny fifandresen_dahatra teo amin’ny banky iraisam_pirenena sy ny filoha_mpirenena Malagasy no nahazoana fanatsiam_bola mitentina 100.000.000 dolara hiatrehana ny valan’aretina COVID 19 sy hanafarana vaksiny. Voatendry ho talen’ny raharaham_panjakana sy ny fitantanam_bola ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam_bahoaka i Raharison Tsihory Ravakiniaina nandritra ny fivoriana.

Laisser un commentaire