Serasera hoan’ny Fampandrosoana (C4D) Boeny : Mitaona ny vahoaka ho amin’ny fiovam-pihetsika mahasoa hiadina amin’ny covid-19
Nanatanteraka fivoriana mahakasika ny serasera hoan’ny fampandrosoana ny governorat faritra Boeny ny Alarobia 18 Aogositra 2021.
Nitarika izany fivoriana izany ny Kolonely Vohanson Mitovosoa, Directeur de l’Information et de la Protection civile (DIPC) izay nisolotena ny Governora nitarika ny fivorian’ny Plateforme C4D (Communication pour le développement) izay notanterahina tao amin’ny Bloc Administratif. Araka ny nolazain’ny kolonely Vohanson Mitovosoa nandritra ny fivoriana : « Efa ao amin’ny Nosy rahavavy ny variant Delta, ary Mahajanga dia varavarana iray mety hidirany noho izy seranana fivezivezen’ny sambo sady toerana fivantanan’ny mpiala sasatra marobe amin’izao ». Ary nohamafisiny ihany koa fa Velirano faha-5 ny Filoham-pirenena ny fahasalamana hoan’ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra. Antony nanaovana izao atrikasa izao ny hitaomana ireo olona ho amin’ny fiovam-pihetsika mahasoa hiadina amin’ny coronavirus.
Hidina an-tsehatra hanentana sy hitaona ny vahoaka amin’izany ireo mpisehatra C4D rehetra eo amin’ny izany sehatra izany : STD, CTD, ONGS, OSCs. Ho hentanin’izy ireo amin’ny izany fa mahasoa ny fianakavina sy ny taranaka ary ny fiaraha-monina ny manaja sy manohy ireo fihetsika sakana : arovava, fanasana tanàna amin’ny savony, fanjana ny elanelana. Tafiditra amin’izany koa ny fanentanana ireo olona hanao vaksiny fanefitra ny covid-19.
Nohamafisina tao anatiny izany atrikasa izany fa mitondra fampandrosoana ary mahasoa ny zaza sy ny ankizy ny famerenana azy ireo an-tsekoly, amin’izao fidiran’ny mpianatra taona 2021-2022 izao, indrindra hoan’ireo izay nitsoaka an-daharana. Tsiahivina fa ny faritra boeny no mitarika ny plateforme C4D izay tohanan’ny UNICEF ara-bola.
Sitraka Rajaonarivony
