SocialTsidika

EPP: Ny atsasak’ireo mpianatra no tonga nisoratra anarana

Roa herinandro mialohan’ny fidiran’ny mpianatra, mbola tsy rototra ireo ray aman-dreny ny mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana hanoratra anarana ireo zanany.

Raha ny fanadihadihana natao tamin’ny sekolim-panjakana EPP teto an-drenivohitra, ny atsasak’ireo mpianatra ihany no tonga nanao ny fisoratana anarana. « Izahay izao eto manodidina ny 300 ny ray aman-dreny ny mpianatra eto aminay, ny 50 amin’reo ihany anefa no niverina nisoratra anarana hatreto. Nandoa ny vola fandraisan’anjara amin’ny FRAM izy ireo » hoy ny tompon’andraikitry ny sekoly iray.

Sahirana ara-bola noho ny covid-19 ireo ray aman-dreny. « Miakatra ny vidin’ny fitaovam-pianarana, tsy araka ihany koa ny fandovana ny vola hoan’ireo Fram » hoy i Dina, renim-pianakaviana iray. Andanin’izay, mangataka fanemorana ny fandoavana ny fisoratana anarana ny ray aman-dreny sasantsany. Raha hampitahaina amin’ny taon-dasa, nihena ny tahan’ireo ankizy niditra an-tsekoly.

Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo amin’ny EPP iray, efa mipetraka ny « caisse ecole » sy ny komity FEFFI.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire