La Réunion : Nitondra fahavoazana lehibe noho ny fandalovan’ny rivo-doza Belal ireo mpamboly
Anisan’ny nitondra faisana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Belal i La Réunion. Maro ireo kaominina lasibatra nandritra izany. Ny talata teo, nijery ifotony ny zava-misy vokatry ny fahapotehana sy ny faharavana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza ity ny avy amin’ny governemanta tao an-toerana. Teo amin’ny lafin’ny fambolena no tena nahitana fahavoazana. Tsy maintsy hisy ny fanarenana ireo fahavoazana manerana ireo kaominina 24, hoy ny ministry ny atitany any an-toerana, nandritra ny fandalovany teny ifotony. Marihina moa, fa ankoatra izao fahapotehan’ny fambolena izao dia olona miisa efatra ihany koa no namoy ny ainy nadritra ny fandalovan’ity rivo-doza Belal ity.
