Etats-Unis : Fifampitifirana 3 nahafaty olona tamina toeram-panorana samihafa tao Atlanta
Olona 8 no maty nandritra ny fifampitifirana niseho tamina toeram-panorana nanodidina ny Atlanta ny talata 16 martsa lasa teo. Tamin’ny 5 ora hariva teo ho eo no nisehoan’ny fitifirana voalohany, 50 kilometatra miala an’i Atlanta, Tanana lehibe iray ao amin’ny fanjakan’i Georgie, atsimo atsinanan’i Etazonia. 4 no maty ary 2 kosa no naratra tamin’izany, hoy ny mpitondra tenin’ny polisy tao an-toerana. Fotoana fohy taorian’izay, toeram-panorana 2 hafa, akaikin’i Atlanta ihany koa no nisian’ny fifampitifirana ka nahafatesana olona 4. Nanambara ny polisy, taorian’ny fizahana ny fitaovam-pitsikilovana (camera de surveillance) tao amin’ny toerana tsirairay, fa mety olona mitovy ihany no nanao ireo fanafihana ireo. Tsy fantatra mazava izay anton’ny famonoana hatreto. Nambaran’ny polisy kosa fa asiatika ny 6 tamin’ireo maty ireo. Izay mbola mampametra-panontaniana azy ireo ny mety nikendrena ny asiatika mihitsy sa inona marina. Mbola tena manjaka ny fanavakavaham-bolo-koditra ao Atlanta. Efa arahi-maso ilay noahihina ary nametraka ekipa mpanara-maso amin’ireo toerana niaran-doza ireo ihany koa ny polisy ao an-toerana.
