ActualitésTatitra

Allemagne : Firenena am-polony no nivory tao Berlin manoloana ny ady ao Ukraine

Manoloana ny fikasan’i Russie hibodo tanteraka an’i Donbass sy ny fandrahonany hanitatra ny fifandonana eo aminy sy Ukraine eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny ady lehibe fahatelo dia nivondrona tao Berlin ireo firenena samihafa omaly 26 aprily.Firenena maherin’ny 40 no nivory tamin’izany. Ny fanamafisana ny fiarovan’i Ukraine kosa no fifampiresahana iray lehibe tapaka nandritra io fivoriana io hoy i Lloyd Austin, ministry ny fiarovam-pirenen’i Etats-Unis. Anisan’ny tanjon’ny fivoriana, hoy izy, ny famoriana ireo fahaiza-manao rehetra hanampiana ny tanjak’i Ukraine.Nannamafy izy fa afaka manohitra ary mandresy i Ukraine raha mahazo ny fitaovana sy ny fanohanana sahaza azy.

Laisser un commentaire