Etats-Unis : Nofoanana ny fanamelohana ho faty an’i Melissa Lucio
Raha tsiahivina dia renim-pianakaviana niandry ny fanamelohana azy ho faty noho ny famonoany ny zanany Mariah Alvarez tamin’ny taona 2007 i Melissa Lucio. 15 taona nigadrana izy noho io tranga io ary tokony nohelohina ho faty androany 27 aprily.Noho ny fihetsiketsehana maro nataon’ireo mpiaro azy nefa dia nanao fanamabarana ny fitsarana ambonin’ny Texas roa andro tao alohan’izany fa tsy ho atao ny famonoana io renim-pianakaviana io. « Tsy midika izany fa nahazo fitsarana vaovao i Melissa Lucio, saingy dingana iray mety ahazoana izany izao » hoy ny mpisolovava azy, Vanessa Potkin.Na dia nihaiky heloka aza io renim-pianakaviana io tamin’izany dia nanazava izy fa tsy an-tsitrapony izany ary hanamarina ny tsy fahamelohany izy. Nangataka ny mpisolovava azy mba hodinihin’ny fitsarana hafa ao Texas ny raharaha. Mandra-piandry ny valin’izany kosa dia mbola mijanona ao amin’ny lalantsaran’ny fahafatesana i Melissa Lucio.
