ActualitésTatitra

France : Iza moa i Richard Bohringer?

Teraka ny 16 janoary 1942 tao Moulins i Richard Bohringer ary manana ny zom-pirenen’i Sénégal nanomboka ny taona 2002. Mpilalao sy mpamokatra horonantsary ny tenany, mpihira ary mpanoratra ihany koa. Zanakin’ilay mpilalao horonantsary Romane Bohringer sy Lou Bohringer izy.

Anisany mpilalao horonantsary nanana ny lazany i Richard Bohringer tany amin’ny taona 1972. Tamin’io taona io izy no nahazo anjara toerana mpilalao tao amin’ilay horonantsary « L’Italien des roses ». Ny taona 1980 kosa nefa vao nalaza izany. Nahay nanamarika ny tenany nefa io mpilalao io tao amin’ny horonantsary ka lasa mpilalao mahatsikaiky nanamarika ny taona 1980.

Nilalao horonantsary maro izy taorian’izany, anisany ny « Diva » nosoratan’i Jean-Jacques Beineix. Efa nilalao an’i « César » ihany koa izy tao amin’ny horonantsary « L’Addition » (1984) sy ny « LeGrand Chemin » (1987).

Laisser un commentaire