ActualitésTatitra

Maurice : Omen’ny hotely Beachcomber ny mpiasany ny 10% amin’ny tombom-barotra azony

Orinasa iray anisany manana toerana lehibe eo amin’ny sehatra ara-barotry ny « hotellerie » ao Maurice ny hotely Beachcomber. Rehefa nisedra fatiantoka ny orinasa nandritra ny valan’aretina covid-19 dia tafarina indray ny taona 2022 rehetra niverina nisokatra ny sehatry ny fizahan-tany tao amin’ny nosy. Manoloana izany dia nahazo tombom-barotra iray miliara roupies na 22,5 tapitrisa euros ny orinasa.

Manoloana izany dia nanapa-kevitra ireo tompon’andraikitry ny orinasa fa omena ny mpiasa ny 10% n’io vola io. Marihana fa anisany toerana mampiasa olona betsaka indrindra io hotely io, mahatratra 4 200 isa izy ireo no miasa ao amin’izany. Raha atao zara mitovy kosa io 10% ny vola io dia mandray 535 euros avy eo ireo mpiasa ireo.

Laisser un commentaire