Etats-unis : Mikasa hanitatra ny andian’ny fiara elektrikany ao Europe ny Amazon
Mikasa ny hampiakatra avo roa heny ny andiana fiara elektrikany mpitatitr’entana ao Europe ny orinasa lehibe Amazon. Entiny hanatontosana « décarbonation » amin’ny tambajotrany ao Europe izany raha ny fanazavany. Nanamafy izy ireo fa efa mampiasa fiara «zéro émission » an’arivony amin’ny fitanterana ao Europe.
Manoloana io fanambaran’ny Amazon io fampiasam-bola io dia mikasa hividy sy hametraka fiara vaventy eletrika miisa 1 500 ao amin’ny tambajotrany ao Europe ny orinasa. Hatokana ho an’i France ny 300 amin’izany arakin’ny tatitra.
