Teknolojia: Efa any Génève ireo tanora hiatrika ny fifaninana iraisampirenena momba ny Robotika
Dépêche 12 octobre, 14h, Mahavelombola fatratra ny mahita tanora efa tafiditra lalina anaty fitiavana ny teknolojia eto Madagasikara, indrindra moa fa ireo tanora manampahaizana amin’ny robotika. Miisa 5 izy ireo no hisolo tena ana’ny Madagasikara any Geneve ny faha 13 ka hatramin’ny 16 oktobra izao. Efa any an-toerana izy ireo ankehitriny ary efa anaty fiomanana tanteraka. Marihina fa firenena miisa 150 no hifaninana amin’izany ary miandahy miambavy ny fitiavana sy ny fahaizana izany.
