Fanondranana volamena: Nosamborina ihany koa ny zanaky ny mpanolotsaina ara-dalàna teo amin’ny fiadidianan’i Comores teo aloha.
04 Janoary, 09h00. Nosamborina ihany koa ny zanaky ny mpanolotsaina ara-dalàna teo amin’ny fiadidian’i Comores teo aloha. Ahiana ho mifandray amin’ny tompon’andraikitra amin’ny fanondranana ireo bara volamena any Emirats Arabes Unis ireo tamin’ny fiaramanidina manokana izy. Nahitana vola mitentina 85.000 euros ny tranony rehefa nosavaina. Nohazonina am-ponja vonjimaika ny 1 janoary teo ihany koa ny tale jeneralin’ny seranam-piaramanidin’i Comores.
