Dépêches

Prefektioran’Antananarivo: Nohamafisina ny fepetra ara-pahasalamana

04 Janoary, 08h30. Nandray fepetra sy namoaka didy ny Prefektioran’Antananarivo momba ny ady atao ary fampanarahana ireo fepetra. Tsy maintsy manao arovava orona ny tsirairay, tsy maintsy diovina ny tsena mialoha ary aorinan’ny fisokafany, tsy azo atao ny manao seza volamena amin’ny taxi-be, tsy maintsy mampiasa « gel » ny fiara. Tsy maintsy hametrahana toerana hafahana manasa tànana na mampiasa « gel » ihany koa ny sekoly ary tsy maintsy hajaina ny elanelana 1 metatra sy ireo fepetra sakana izay efa nipetraka hatramin’izay. Ho saziana avy hatrany ireo tsy manaraka izay.

Laisser un commentaire