Dépêches

Antanambao Manampotsy: May ny bazary

04 Janoary, 08h00. Tranom-barotra iray tao akaiky bazary no may voalohany nitarika ny afo ny 3 janoary eto tamin’ny 12 ora atoandro teo. Niparitaka nianantsimo avy hatrany ny afo noho ireo trano nifanetihety. Tsy nisy lalana nidirana namonoana ny afo ihany koa ny toerana ka vinavinaina ho 120 tafo eo no may tamin’izany. Marihina fa tsy nisy mpamonjy voina tonga teny an-toerana , ny rano tapatapaka.

Laisser un commentaire