Ambanja : Nahitam-pihenana ny fanimbana ny ala honko
Tontosa ny fanaovana ny tomban’ezaka ho an’ireo VOI dimy ao amin’ny Distrikan’Ambanja. Ny rantsamangaika tsy miankina « Blue Ventures » no nitantsoroka azy ireo.
« Tomban’ezaka nijerena ny fiainam-pikambanana eo amin’ny ireo VOI tao anatin’ny telo taona no natao » hoy ny ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Ministeran’ny tontolo iainana ao Diana. « Nojerena ny fiatraikan’ny famindram-pitantanana eo amin’ny fiaraha-monina, ara-toekarena sy ara-tontolo iainana. Nojerena ihany koa ny fandrosoana lovain-jafy. Teo ihany koa ny fivoaran’ny fitantanana ny ala honko » hoy ny avy ao amin’ny VOI. « Hita fa miharina tsikelikely ny ala honko sy ireo ala. Mihena ny fanaovana arina amin’ny honko » hoy i Felicia, mponina ao Ambanja. Manampy mandrakariva ny VOI, izay fikambanana miaro ny tontolo iainana, ny Ministera sy ny fitondrana.
Antoka lehibe hiatrehana ny tontolo iainana rahatrizay ny ala ka mila arovana.
Nicole Rafalimananjara
