Nandeha teny ifotony ny Ministry ny Fahasalamana
Nanao fitsirihana ifotony tampoka nijery ny kalitaon’ny fandraisana eny anivon’ny hopitalim-panjakana ny Ministry ny fahasalamana ka teny amin’ny CSB II Ambohipo sy Befelatanana no nanatanterahina izany.
« Tena mety ary ilaina ny fanaovana izao fidinana tampoka matetika izao mba ahafantarana ny fomba fiasan’ireo mpitsabo sy tompon’andraikitra eny amin’ireny hopitalim-bahoaka ireny ka afahana manatsara ny kalitaon’ny fandraisana » hoy i Kanto, mpianatra mipetraka eny Ambohipo. « Mila fanatsarana tokoa ny sehatrin’ny fahasalamana eto Madagasikara, tsara jerena avokoa ny tobim-pahasalamana rehetra ary tsy hiandrasana fidinana fa avy hatrany dia atao ny fanatsarana. Tokony asiana ny fampiofanana matetika ireo mpiasa ary hatsaraina ihany koa ny fitaovana rehetra mandrafitra ireny toerana rehetra ireny » hoy ny mpitsabo eny Ambohipo.
Samy miezaka manatanteraka ny vinan’ny Filoham-pirenena ireo ministra isan-tsokajiny eo amin’ny fanaovana ny velirano mandrafitra ny IEM. Hita tokoa aloha nandritra izay herinandro nahatafapetraka ny Governemanta vaovao izay fa miasa tokoa ny ankamaroan’ireo ministra ireo. Ilaina tokoa ny fitondrana fanatsarana ny fandraisana sy ny fitiliana eny amin’ireny hopitalim-panjakana ireny. Mbola re hatrany aloha na izany aza ny endrika fanararaotana eny anivon’izy ireny. Etsy andanin’izany, hita ihany koa ny mbola tsy ananan’ny tobim-pahasalamana sasany fitaovana ari-fomba. Antenaina arak’izany mba hifanaraka tsara amin’ny fampandrosoana ireny toeram-pitsaboanam-panjakana ireny ny vinankasan’i Zely Arivelo.
Tsangy Randriamampianina
