Akamasoa : Nitsangana ny « Institut culinaire Guillaume Gomez »
Vita soa aman-tsara ny « Institut d’Excellence culinaire Guillaume Gomez », toeram-piofanan-kasa mikasika ny sakafo ao amin’ny Akamasoa.
Raha nilaza ny hanangana fotodrafitrasa ho fampiofanana ny tanora amin’ny fandrahoana sakafo matihanina i Père Pedro sy ireo frera Mathias sy Gauthier ny volana novambra 2019, tafatsangana tanteraka izy ankehitriny. Efa vonona ny toerana amin’ny fandraisana ireo mpianatra ka hanomboka ny faha enina ny volana septambra izany fianarana voalohany izany.
"Mpianatra valo amby efapolo no hisitraka ny fampiofanana voalohany amin’ny enina septambra ary ampiarahina amin’ny fampianarana teny Frantsay izany fiofanana izany" hoy ny serasera nalefan’izy ireo. Marihana fa tsy misy ny saram –pianarana amin’ity fiofanana ity fa maimaim-poana. "Ny tanjona dia ny hampisehoana amin'ny tanora fa misy ny mety amin'ny ho avy. Ary afaka ny ho matihanina eo amin’ny sehatry ny asa izy ireo" hoy i Guillaume Gomez izay "Chef des cuisines du Palais de L’Élysée".
Manao ny ainy tsy ho zavatra tokoa raha i Père Pedro amin’ny fanatsarana ny hoavin’ny tanora Malagasy izay mitoetra eo ambanin’ny fitantanany eny amin’ny Akamasoa. Arakin’ny efa ambarany hatrany : Ny olona izay mipetraka eny amin’ny Akamasoa, tsy maintsy miasa. Omena trano ipetrahana, omena fiofanana arak’asa sy fanampiana fa kosa tsy maintsy mihary.
Irariana mba ho lasa lavitra amin’ny asa andraiketany eto amin’ny firenena Malagasy i Père Pedro sy ny Akamasoa.
Tsangy Randriamampianina
