Italie : Nahazo alàlana nidina ao Sicile ny Geo Barents
Nahazo alàlana ho ao Syracuse ao Sicile ireo olona novonjen’ny sambon’ny « médecins sans frontières » rehefa niandry andro maromaro. Mpifindra monina miisa 322 no hita amin’izany izay misy zaza tsy ampy taona 95. Tsara fitotona ny fanapahan-kevitra raha ny fanazavan’ny mpiasan’ny sambo iray satria nanakorotana ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana ireo olona ireo ny fiandrasana.
Olona 68 no tsy maintsy nomena fitsaboana tao amin’ny sambo noho ny ratra sy fery isan-karazany: main’ny solika, main’ny masoandro, fanina ary ny fikorontanan-tsaina. Nisy tamin’ireo olona ireo mantsy eo efa tao amin’ny sambo hatramin’ny 5 aogositra izay fotoan’ny fanavotana voalohany.
