Toliara : Nandeha ifotony ireo Polisy vavy amin’ny fanatsarana ny hoavin’ny tanora
Nandeha ifotony nanara-maso ireo trano fandraisam-bahiny sy trano fandihizana ny Brigade Feminine de Proximité ao Toliara.
Zaza tsy ampy taona maro no roboka ao anatin’ny famonjena alim-pandihizana sy fidirana amin’ireny trano fandraisam-bahiny ireny. Efa manomboka miverina amin’ny fiainana andavan’andro ihany koa moa ny mponina ankehitriny ka manomboka misokatra avokoa ireny toerana ireny manohy ny asany. Na izany aza manao ny fanaraha-maso hatrany ireo mpitandro filaminana amin’ny sehatr’asa rehetra miseho. Ny tao Toliara kosa nanapa-kevitra ny hanara-maso manokana ny tanora amin’ny fanatsarana ny ho aviny ny Polisy vehivavy ao an-toerana. Betsaka tokoa mantsy ireo tanora no mamonjy ireny toerana fandihizana ireny na toerana fandraisam-bahiny ireny.
« Raha hitan’ny tompon’andraikitra kosa hoe mbola zaza, tokony asiana ny fisavana karapanondro ka vao tsy manana avy hatrany dia mivoaka na antsoina mihitsy ny ray aman-dreniny » hoy i Vero, renim-pianakaviana. I Rachel, tanora iray mpamonjy ireny alim-pandihizana ireny kosa nilaza fa tokony tsy asiana olana ny famonjen’ny tanora alim-pandihizana. Mandalo ny fahatanorana, aleo ny tanora hifety fa mitandrina fotsiny dia izay. « Tsy maintsy misy ny fisavana karatra alohan’ny idiran’ny olon-droa ao amin’ny efitra fandraisam-bahiny, tsy mandray zaza tsy ampy taona raha ny eto aminay manokana » hoy i Noro, tompona hotely fandraisam-bahiny.
Naneho ny heviny ihany koa ny avy ao amin’ny mpisehatra sosialy : « Mifampitaiza ny olombelona rehetra, tompon’andraikitra amin’ny zavatra miseho ny tsirairay avy. Raha voararan’ny lalana ny fidiran’ny zaza tsy ampy taona amin’ny “chambre” na “boite de nuit” dia tokony hanaja izany ny tompon’andraikitra amin’ireny toerana ireny’ ». Nanamafy hatrany moa ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena ny amin’ny fitohizan’ny fandehanana ifotony.
Fihetsika mendrika no nataon’ireto polisy vehivavy ireto. Irariana mba hisy hatrany ny fandehanana ifotony tahak’izao ary atao isakin’ny faritany indrindra ny eto afovoan-tany izay tena betsaka ireny toerana ireny. Andrasana ihany koa ny tetikady ny Ministrin’ny mponina amin’ity resaka ity. Afaka ahitana tsara ny maha « femmes de terrain » azy ireo ity asa fanatsarana ny hoavin’ny tanora Malagasy ity.
Tsangy Randriamampianina
