ActualitésTsidika

SSMAF Ambohimangakely : Afaka maka traikefa mandritra ny hetsika ihany koa ny Karateka

Iray volana sisa dia hiatrika ny hetsika SSMAF izay karakarain’ny fikambanana BTC Ambohimangakely. Hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ity SSMAF ity. Hisy lalao isan-karazany hahazoana loka maro be mandritra izany fotoana izany. Hisy ireo karazana « arts martiaux » maro be ahafahana mandray anjara. Tafiditra ao anatin’izany ny taranja Karate izay vao avy nanatanteraka ny « coupe du Président » ny faran’ny herinandro teo.

« Fotoana iray tena ahafahana maka traikefa, hahazoana fahaizana vaovao ny SSMAF. Na dia i Billy Andriasantantsoa izay nahazo ny amboara teo amin’ny sokajy seniors latsaky ny 67kg nadritra iny Coupe du Président iny aza dia mbola afaka mampitombo ny fahaizany foana. Azo atao ihany koa ny mifampizara fahalalana anefa », hoy ny mpikarakara.

SSMAF, efa andiany fahatelo amin’ity taona ity. Fotoana iray hifampizarana, hifampianarana, hialana voly ihany koa. Maro be ireo sehatra ahafahana mandray anjara. Marihina fa ny faran’ny volana jona izao no mifarana ny fisoratana anarana ho an’ireo izay te handray anjara.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire